Proverbs 13

1Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza. 2Ny vokatry ny vavan’ ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika. 3Izay mahambim-bava no miaro ny ainy
Na: ny fanahiny.
; Fa izay vavàna dia haringana.
4Ny fanahin’ ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ ny mazoto hohatavezina. 5Ny lainga dia halan’ ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra. 6Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota. 7Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be. 8Ny haren’ ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory. 9Ny fahazavan’ ny marina dia tsara firehitra
Heb mifaly.
; Fa ny jiron’ ny ratsy fanahy ho faty.
10Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena. 11Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo. 12Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon’ aina ny faniriana tanteraka. 13Izay manamavo ny teny ho voasingony
Na: mahavery tena.
; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
14Ny fampianaran’ ny hendry dia loharanon’ aina Ka mampivily tsy ho ao amin’ ny fandriky ny fahafatesana. 15Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ ny mpivadika. 16Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin’ ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana; 17Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana
Na: fanasitranana.
.
18Fahalahelovana sy henatra no ho an’ izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra. 19Mamin’ ny fo ny faniriana tanteraka
Na: efa mitranga.
; Fa fahavetavetana eo imason’ ny adala ny hiala amin’ ny ratsy.
20Izay miara-dia amin’ ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny adala dia hidiran-doza
Na: ho ratsy.
.
21Ny mpanota dia enjehin’ ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina. 22Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina. 23Ny tanin’ ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan’ izay tsy rariny. 24Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely. 25Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon’ ny ratsy fanahy.

Copyright information for Mg1865